Partager l'article ! Toliara Hopitaly manara-penitra: Terak'i Andry Nirina Fenitra Gustave: &nbs ...
Angamba tokoa ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo, ny "Temple du rugby" ao Andohatapenaka, ny "Coliseum de Madagascar" ao Antsojombe, ireo Hopitaly manara-penitra notokanana hatramin'izay dia voasoratra amin'ny anaran'ny Injet na amin'ny anaran-dry Rajoelina mianakavy ? Ka ny Fmi sy ny Banky iraisam-pirenena no namatsy vola ? Ka omeo porofo ary e ! Dia avoakako eto.
Raha tsy misy izany porofo izany dia aza mihezaka manaratsy fahatany sy miaro olona tsy nanasoa ny firenena velively, matoa noroahin'ny vahoaka izay nifidy azy
(1972, 1991, 2002, 2009). Asa koa fa fanonganam-panjakana daholo ireo e... I Zafy Albert aza -izay saika maty teny akaikin'ny lapan'ny Iavoloha, ny 10 Aogositra 1991-, dia tsy mba nahatsiahy na iray segondra aza ireo maty nanodidina azy, fony izy Filoham-pirenena. Kanefa anie
izy no nitarika ilay "Diaben'ny Fahafahana" tamin'io 10 aogositra io e ! Jereo ny VIDEO eto. Tsy mahagaga raha
ratsy fiafara izy satria nitaky ny ràn'ireo maritiora notsinontsiniaviny. Izy ny Filoham-pirenena malagasy voalohany naato tamin'y asany ("empêché") amina fomba ara-dalàna. Izany hoe
olona tsy nahavita azy ny dikany. Izay no tadidin'ny Tantara. Ka avelao izy hanohy ny redirediny. Efa masoandro mody koa anie izy e ! (86 taona izao ny Profesora Zafy rey olona ô).
Tsy afa-bela amin'ny Fitsaran'ny Tantara koa ianareo rehetra nanao ratsy sy ianareo fatra miaro azy ireo. Satria tsy ho voakosoka daholo akory ny "zava-bitanareo", afaka 10, 20 eny 50 taona aza. Ny mpitondra mandalo fa ny firenena -izany hoe ny vahoaka malagasy- mitoetra. Toa ny sainam-pirenena, ny hiram-pirenena ary ny fotodrafitr'asa natsangana.
Fa marina tokoa fa ny ratsy sy ny maizin-tsaina dia mahita sy hahita tenenina foana. Nankaiza sy mankaiza ary ho ankaiza daholo anefa ? Tsy ho hita popoka toa
an'i Jodasy. Aorian'ny Filoha Andry Rajoelina, hisy Filoha afa, ary aorian'io Filoha afa dia hisy afa ihany koa, fa tsy nijanona teo amin'i Tsiranana, na i Ratsiraka na i Zafy na i Ravalomanana
na i Rajoelina akory ny fiainan'ny firenena malagasy. Ary ny tany dia hiodina foana na eo na tsy eo intsony ireo mpitondra ireo. Na tsy eo intsony koa isika mbola velona amin'izao vaninandro
izao. Sa misy olona tsy mety maty mihitsy eto an-tany ? Asa...
Jeannot Ramambazafy - 14 Jolay 2013
Août 2013 | ||||||||||
L | M | M | J | V | S | D | ||||
1 | 2 | 3 | 4 | |||||||
5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | ||||
12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | ||||
19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | ||||
26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | |||||
|